Psalms 9

Salamo abidy. Fiderana an’ Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy

Ho an’ ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. 3Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô, 4Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. 5Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina. 6Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. 7Ny amin’ ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy
Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana.
; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
8Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, 9Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ ny fahitsiana Izy. 10Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ ny andro fahoriana Izy. 11Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. 12Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany. 13Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy. 14Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’ izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ ny vavahadin’ ny fahafatesana, 15Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’ i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ ny famonjenao. 16Ny jentilisa efa latsaka tamin’ ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony, 17Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ ny asan’ ny tànany Izy. 18Hiverina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an’ Andriamanitra.
19Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ ny mahantra. 20Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa. 21Asio fampahatahorana
Na: fampianarana.
izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Sela.]
Copyright information for Mg1865